1 Fihirana fiakarana*. Manopy ny masoko ho amin'ny tendrombohitra aho; Avy aiza ny famonjena ahy**? [**Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga][**Na: Izay ihavian'ny famonjena ahy]

2 Ny famonjena ahy dia avy amin'i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.

3 Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao; Tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao.

4 Indro, tsy matory na rendrehana Ny Mpiaro ny Isiraely.

5 Jehovah no Mpiaro anao; Jehovah no fialofanao eo amin'ny an-kavananao.

6 Ny masoandro tsy mba hamely anao nony andro, Na ny volana nony alina.

7 Jehovah hiaro anao amin'ny ratsy rehetra; Eny, hiaro ny fanahinao Izy.

8 Jehovah hiaro anao, na mivoaka na miditra, Hatramin'izao ka ho mandrakizay.
